Entrée | 1 Mpikororoka ampombo |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 3 mpikororoka, ampombo |
Vocabulaire | 4 Littérature: poèmes |
Auteur |
5 Rajaobelison Samuël |
Texte complet |
6 Milina mpitoto injao migoboka ao, 7 Ampombo be miavosa an-tsisin'ny tamboho; 8 Indro vehivavy hatsatra sy lao 9 Mitondra am-babena zaza miamboho. 10 Rehefa feno ampombo ny gony kely nentiny, 11 Nataony an-doloha, ny masony efa lalina! 12 Hokororohina io sitrany hisy ventiny, 13 Na kely ihany aza hiantoka ny alina! 14 Etsy ambody hazo ny zaza mitomany, 15 Ditsoky ny ampombo ka mangarom-bava; 16 Hontsa ho'aho ilay reny raha mahita izany, 17 Ka mody velon-kira miantsa dridralava 18 Tapaka kapoaka!… lohavary mena! 19 Izay no kororoka namonoana ny andro! 20 Nitsangana Ingory hamonjy ny babena, 21 Dia lasa Ramatoa hanokona nahandro. |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |